Rehefa vita ny fanompoam-pivavahana dia niroso tamin’ny fanaovana vaksiny ireo mpianatra rehetra latsaky ny 15 taona ny sekoly.Ireo tompon’andraikitra amin’ny HIAKA 2004 no nanatanteraka izany ary mpianatra 390 any ho any no vita vaksiny tamin’izany. Narisika tokoa ny ray aman-dreny tamin’izany fanaovana vaksiny izany rehefa nazava tamin’izy ireo tsara ny voka-tsoa azo amin’ny vaksiny.

Mandroso dia mandroso tokoa ny asa lehibe tsangambaton’ny faha-100 taonan’ny sekoly Vinet ataontsika. Efa hianarana amin’izao fotoana izao ny ao ambany rihana amin’ny « Trano mena » ilay trano vaovao. Efa ho vita ihany koa ny tamboho eo andrefan-trano izay tena ilaina tokoa ho fiarovana ny mpianatra. Raha ny momba ny trano tranainy, « La poste », indray kosa dia efa vita amin’izao fotoana izao ny lalotra atiny sy ny ivelany ary efa manomboka mametraka ny hazo hitondra ny tafo (charpente) ny mpiasa.

Mandroso ihany koa ny fanatsaran’ny rantsana Sportifa Evanjelistra Ambohimalaza (SEA) ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena . Ny asabotsy faha-25 tontolo andro dia hisy fihetsehana hanamarihana ny fanatsarana izany kianja izany.

Eto am-pamaranana dia tianay ny manao antso ho an’ireo malala-tànana ka afaka hanampy eo amin’ny fanomezana vatsim-pinarana ho an’ny mpianatra. Ireny mpianatra mahazo vatsim-pianarana ireny dia ireo sahirana ara-pivelomana na koa ireo izay tena mendrika eo amin’ny vokatra azo amin’ny fianarany. Tamin’ny taon-dasa dia teo amin’ny 55 teo ho eo no nianatra maimaim-poana satria nisy niantoka ny saram-pianarany.

Fisaorana lehibe no atolotra anao sahady, manaiky, farafaharatsiny, ny hieritreritra izany asa soa izany. Saingy aza mijanona eo amin’ny fieritreretana fotsiny ihany fa mandrosoa lalindalina kokoa ka meteza hiantoka mpianatra eo amin’ny fianarany.

Rasaminaivo Harinaivo.

Source : Ny Tale (Gazety AVV)