Teny fisaorana avy amin'ny komity fahazato taona
samedi 15 janvier 2005 à 22:41 :: Au jour le jour :: #11 :: rss
Ry havana,
Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika mbola nomeny tombon’andro ka afaka mandia izao taon-jobily izao. Tena fahasoavana anampy fahasoavana ho antsika izany satria maro tokoa no naniry hahita izany, nefa isika ankehitriny izao no notahian’Andriamanitra ka afaka manamarika sy mankalaza izao vanim-potoana lehibe ho an’ny sekoly Vinet sy ny Fiangonana manontolo izao.
Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra ny amin’izay asa rehetra azo notanterahina mbola ho hefaintsika ao anatin’izao fankalazana izao mba ahitan’izao tontolo izao fa tsara ANDRIAMANITRA sady mpanao ny tsara.Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra ny amin’izay asa rehetra azo notanterahina mbola ho hefaintsika ao anatin’izao fankalazana izao mba ahitan’izao tontolo izao fa tsara ANDRIAMANITRA sady mpanao ny tsara.
Manarak’izany dia tolorana fisaorana feno sy mitafotafo etoana Atoa Marc RAVALOMANANA mivady, filoham-pirenena izay naneho niharihary ny fiombonam-po aman’aina tanteraka amintsika amin’izao jobily izao. Mankasitraka tanteraka azy isika satria ny vavan-tsika nangataka taminy no ela dia nahazo valiny mahafa-po isika. Izany dia mampiseho fa tena tompony tokoa izy noho ny maha-maintimolalin’ny sekoly Vinet azy. Tsara ho marihina etoana koa fa nandritra ny fanatanterahana ny asa rehetra dia niavaka tokoa ny fomba fiasa sy ny paik’ady nanaovana izany ka nahazoana namita ny asa tao anatin’ny fotoana fohy sy haingana nefa tsara.
Misaotra indrindra tompokolahy hajaina, ny Tompo anie homba anareo mandrakariva amin’ny adidy masina iantsorohanareo mba hiadanan’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo.
Tolorana fisaorana manokana etoana koa ny Tale Jeneraly sy ny Mpiara-miasa ao amin’ny FID, indrindra ireo izay niandraikitra ny « dossiers Vinet ». Tsapanay ary hitanay fa tena fitaovana mahomby tokoa ianareo ho fampandrosoana haingana ity firenena malalantsika ity satria na dia tery aza ny fotoanareo noho ireo andraikitra marobe sahaninareo dia manao izany amin’ny fitiavana ianareo mba ahitan’ny vahoaka Malagasy ny anjara-masoandrony.
Ho lava velona anie ny FID ka hatrehi-mahavita hiambo-mahaefa ny andraikitra nankinin’ny Firenena aminareo.
Tsy hanao ny ambany maso tsy hita isika ka hanadino ny ato anatiny. Misaotra ny vahoaka Kristiana tsy ankanavaka eto amin’ny Fiangonana FJKM Tranovato Ambohimalaza Firaisana. Raha nentina teto aminareo ny volavolan-kevitra ny amin’ny asa lehibe ho tanterahina amin’izao jobily izao dia tsy nametram-panontaniana maro na nisalasala ianareo fa nanaiky avy hatrany ireo tolo-kevitra ho entina hanatanterahina ny asa. Niezaka ianareo ary tsy nitarain-tana-miepaka fa nahafoy be tamin’ny asan’ny Tompo ho fampandrosoana ny sekolim-piangonana.
Ny Tompo anie hamaly fitia anareo satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.
Misaotra indrindra indrindra koa ny zanaka am-pielezana mieli-patrana manerana ny Nosy sy ny any am-pitan-dranomasina rehetra. Raha vao nahare izao jobily izao sy ny asa lehibe hotanterahina ianareo dia nihazakazaka nitondra ny anjaranareo tamin’ny fomba rehetra sy tamin’ny fotoana rehetra ka nanehoanareo fa ny toerana misy anareo no mety ho lavitra fa ny fonareo dia miara-mitempo aminay amin’ny fampandrosoana ny Fanjakan’Andriamanitra ety amin’ny tanindrazana iombonana.
Tolorana fisaorana manokana etoana koa ny terak’Ambohimalaza rehetra izay nifarimbona taminay ho fampandrosoana ny sekoly Vinet izay iaraha-manana mba ho reharehan’Ambohimalaza manontolo satria tanindrazana iombonantsika tokoa.
Ny Tompo anie hampitombo ny fahasoavany aminareo isam-batan’olona sy isan-tokatrano sady hanonitra avo folo eny zato heny izay rehetra laninareo. Misaotra indrindra tompoko.
Mankasitraka sy mankatelina tanteraka koa ny ezaka nataon’ny Tale, ny Mpampianatra, ny Mpianatra, ny Ray aman-drenin’ny Mpianatra ary ny Mpandraharaha rehetra eto amin’ny sekoly Vinet. Nitondra tokoa ny anjara-birikinareo (tena ara-bakiteny) tokoa ianareo tamin’ny asa lehibe notanterahina.
Tsy nanao toy ny ranon’Ikopa ianareo ka tonga namana vao mavomavo, fa tena tompony akaiky tokoa ka nanao izay tratry ny herinareo. Misaotra betsaka indrindra tompoko.
Ary farany nefa tsy kely indrindra dia mankasitraka ny Filoha sy ny Komitin’ny faha-100 taona rehetra. Tena mafy tokoa ny asa nefa nohamarinin’Andriamanitra tamintsika ny teniny manao hoe : « tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa ary mba haharetan’ny vokatrareo ».
Hafa tokoa mantsy ny fikasana tany aloha, ary hafa ny halehiben’ny asa vita. Notanterahan’ny Tompo tao amin’izay mety ho fahalementsika tokoa ny heriny. Nomban’Andriamanitra tokoa isika ka notafiany hery, fahasalamana, fahavononana, fahafoizan-tena ary indrindra fitiavana ka nahazoana niasa tamin’ny fahatokiana be ho voninahitr’izy Andriamanitra.
Misaotra antsika indrindra, misaotra betsaka, misaotra ho tahian’Andriamanitra. Ny voa izay nafafy anie hitombo avo zato heny ka hahita fitia eo imason’Andriamanitra sy ny olona isika rehetra.
Mbola mitohy ny ezaka ambara-pahavitan’ny asa rehetra ao anatin’izao fankalazana izao, koa mahereza ary ry havana malala rehetra fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mandroso kosa ho amin’ny famonjena ny fanahy.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra ary ho amintsika kosa ny fiadanany.
NY KOMITY.
Source : Gazety AVV.