Ry zanaka malala rehetra ao amin'ny Tompo,

Ho aminareo mandrakariva anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy.

Faly tokoa miarahaba anareo tratrin'ny Krismasy 2004 sy ny Taom-baovao 2005 , hitondra Fiadanana ho antsika mianakavy tokoa anie izany.

Misy an'ireto faniriana ireto mba tianay ho tanterahinareo zanaka rehetra aty am- pitandranomasina aty, dia toy izao manaraka izao izany :

  1. Ho fitaizam-panahy, dia misy fiaraha-mivavaka isam-bolana na izay fotoana hafa fantatrareo fa maha-pilamina anareo, ka tsara raha mba hifandimbiasanareo ny fanatanterahana sy fandraisana anjara amin'izany.
  2. Tsara raha misy koa ny fiarahana manao fitsangatsanganana tsindraindray na manao dinidinika amin'ny endrika isan-karazany ho an'ny lehibe ary indrindra indrindra ho an'ireo tanora sy ny ankizy mba tsy ahavery ny fomba fitaizana malagasy izay tsapa fa tsara ny hitazonana sy hiainana amin'izany na dia eo anivon'ny fomba fiainana hafa aza ny tena, ary izany rehetra izany no hatao dia ny mba hitazonana ny fifankatiavana misy sy tiana hateza eo amintsika mianakavy.
  3. Ary mba hanaovana sy hanatanterahana asa aty an-tanindrazana eo anivon'ny Fiangonana sy ny Sekoly na sehatra hafa koa aza izay heverinareo fa ilana fifanampiana aminy maha-olombelona.
  4. Maniry koa izahay raha maniry ary manantena koa raha manantena ny mba hisian'ny soso-kevitra na faniriana hafa hoentinareo zanaka am-pielezana eo aminay Ray aman-dreny aty an-tanindrazana.

Farany ry havana, dia tena fifaliana tokoa ny ahatanterahan'izany faniriana nentina eo aminareo zanaka am-pielezana aty Frantsa izany, koa Andriamanitra Fitiavana anie hanome antsika rehetra ny fahazotoana, herim-batana, herin-tsaina, herim-panahy ary indrindra indrindra ny fahendrena mba ahazoantsika manatanteraka tsara ny fikasana mahafinaritra sy mahasoa maro eo amintsika.

Dia manao mandrapihaona ary hifankahita soa indray anie isika mianakavy aty an-tanindrazana raha sitrapon'Atra izany ary ho Azy irery ihany anie ny voninahitra.